<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Veloma no apetrako,
 Fa tapaka ny hevitro,
 Handao ny fahazarako,
 Fa Kristy no harahiko.
 Veloma Hianao,
 Ry izao tontolo izao !
 Izaho tsy tamana atý,
 Veloma Hianao !

[V2]
 Ny làlan'ota hitako
 Namono ny fanahiko,
 Fa he, erý dia tazako
 Ilay tany soa mamiko
 Veloma ..sns.

[V3]
 Mpanota ô, nahoana
 No tsy miaraka aminay,
 Fa mbola misy toerana
 Izay ho anao sy ho anay.
 Veloma ..sns.

[V4]
 Veloma, fa ao aloha ao
 No tany izay honenako,
 Ka maika aho mba hankao
 Handray ny fitsaharako.
 Veloma ..sns.

[V5]
 Jerosalema tazako,
 Ka velona ny hirako,
 Fa any no honenako
 Hidera ny Mpanjakako.
 Ho any aho izao,
 Ho any aho izao,
 Izaho tsy tamana atý,
 Ho any aho izao.</lyrics>
<title>Veloma no apetrako FFPM454</title>
<hymn_number>454</hymn_number>
</song>